Solika mitotaly 1,5miliara ariary no voahodinkodina tao amina kompaniantsolika Galana. Raha ny fantatra dia gazoalina no betsaka tsy hita tao anatin’ity halatra ity. Araka ny loharanom-baovao dia tompon’andraikitra ao amin’ity orinasa ity ihany no tena tompon’antoka tamin’ilay halatra.
Efa manodidina ny olona telopolo teo ihany koa no efa nohenoin’ny fitsarana tamin’ity resaka ity. Nisy, araka izany, ny fanadihadiana natao ka ireo polisy ekonomika no nisahana ny raharaha. Niakatra fitsarana ny raharaha ny faran’ny herinandro teo ka olona dimy no naiditra am-ponja ka roa tamin’ireo no mpiasa tao amin’ny kaompania.
Tojo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.