Actualités

Halatra ao amin’ny Magro Jerem-potsiny nefa efa maro ny maty !


  • Talata 15 Febroary 2011


Efa roa izay no namoy ny ainy noho ny halatra tao amin’ny Magro Ankorondrano. Ny tena antony dia sarotra loatra ny fangalana ireo tafo ambony sy ireo fatim-by, hany ka misy ny mianjera avy eny ambony eny. Matetika anefa dia tatazan’ny vy avy aty ambany indray. Maro ny maratra vokatr’izany ary efa nisy ihany koa ny namoy ny ainy aza. Mitohy hatrany ny halatra ao amin’io toerana io ary samy mitondra sarety mihitsy aza ireo mpangalatra mba hitaterana ireo vy. Izany rehetra izany dia mitranga eo ambany mason’ny mpitandro ny filaminana izay mitazam-potsiny ankehitriny raha somary mba nanao fisamborana ihany tany

am-boalohany. Babangoana tanteraka ankehitriny ny Magro Ankorondrano ary tsy ho ela dia tsy hisy afa tsy ny rindrina efatra intsony sisa. Olona efa ho dimampolo isan’andro no mivezivezy ka mibata izay ilainy ao amin’io toerana io. Raha tsiahivina dia taorian’ny fitorian’ny Chambre de Commerce teny amin’ny fitsarana fa azy ny tany no nanomboka nakatona ny Magro Ankorondrano. Mba nisy kely ihany fiambenan’ny polisy azy tany am-boalohany saingy lasa baranahiny tanteraka izany ankehitriny. Raha ny tokony ho izy dia ny Chambre de Commerce izay nangataka ny fanidiany azy no mandray andraikitra amin’ny fiambenana. Tsy nandray ny andraikiny anefa io farany ka lasa manararaotra mangalatra ny olona. Ny polisy koa etsy ankilany mijery fotsiny. Samy mamela ny olona hangalatra ny roa tonta.

 
r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT