Manambana ny fanesorana faobe olona amin’ny asa aman’andraikiny eo anivon’ny Ofisin’ny Radio sy Televizionim-panjakana na ORTM.
Tsy haharitra ela io fa mety hitontona anio, mandritra ny filankevitry ny minisitra fanao isaky ny alarobia ny fanapahan-kevitra mikasika izay. Raha ny heno dia anatin’ny lisitr’ireo mety hoesorina ny talen’ny televiziona Malagasy, Razafimahefa Herinirina Lalao. Feo izay tsy vao izao no nandrenesana ny fikasana hanesorana azy amin’io toerana io. Lava ny lisitry ny mety hotsoahina na tsy ofisialy aza toy ny talen’ny fitantanan-draharaha sy ara-bolan’ny ORTM, ny tale misahana ny mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana. Tsy ny mpiasa ao amin’ny foiben’ny ORTM Anosy sy ny minisitera ihany fa hiitatra hatrany amin’ny faritra ny fanoloana mpiasa. Mety hiharan’izany ny talem-paritry ny serasera Matsiatra Ambony, faritra izay vao avy notsidihin’ny filoham-pirenena sady kandida Hery Rajaonarimampianina ny alahady sy alatsinainy teo, ny talem-paritry ny serasera Itasy. Tsy misy olom-panjakana haharitra amin’ny toerana fa ny fotoana isehoan’ny fanovana no mampametra-panontaniana ny maro hoe fifanojoan-javatra fotsiny ihany sa misy ifandraisany amin’ny ho fandraisan’ny filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao ny fahefan’ny filohan’ny Repoblika aorian’ny fametraham-pialan’ity farany noho izy kandida filoham-pirenena ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.