Latsa-dranomaso ireo tanora mpianatra teratany amerikanina mivahiny eto Antananarivo raha nentin’ny fikambanana Hafari Malagasy nitsidika tampotampoka ny toerana misy ireo tsy manan-trano hialofana sy mpatory an-dalana tetsy La Réunion kely Ampefiloha sy teny ampitan’ny hopitaly HJRA Ampefiloha/Anosy ny talata alina teo.
Efa nahita ny zava-misy tamin’ny horonantsary ihany izahay, hoy ny iray tamin’izy ireo, fa izao dia tena mahita maso ny fijalian’ireto olona ireto miaritra ny hatsiaka sy fahoriana samihafa. Hampahafantarinay an’izao tontolo izao ny zava-misy eto Madagasikara, hoy izy ireo, ary hosinganina amin’izany izay hataonay any Etazonia rehefa tafaverina any an-toerana izahay. Amin’ny ankapobeny dia tsapanay fa tsy voahaja ny zon’olombelona eto aminareo, hoy ny fanampim-panazavana nomen’ireto mpianatra amerikanina ireto ka tokony hisy ezaka manokana hatao amin’ny fijerena ny ankizy ety amin’itony toerana itony. Niniana notampohina tsy nasiana fampandrenesana ireo olona notsidihana, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina filohan’ny Hafari, ary natao andro alina be efa matory mba tena ahitana ny zava-misy marina. Natao koa mba hanairana ny fitondram-panjakana izay tsy mihetsi-bolo amin’ny sosialim-bahoaka ny hetsika. Nisy moa fizaran’ireto vahiny ireto mofo sy thé-cao ho an’ireo olona mpatory an-dalana ireo tamin’io talata alina io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.