Actualités

HAFARI Malagasy Hitety faritra hanentana momba ny rafitra fokonolona


  • Sabotsy 26 Mey 2018

Hitety faritra hanentana momba ny rafitra fokonolona ny fikambanana HAFARI Malagasy. Raha araka ny fanazavan’ny filoha nasionaliny Rafanomezantsoa Jean Nirina omaly dia ny fiverenana amin’ny rafitra fokonolona ihany no hahafahana mampandroso ny firenena.

 
Any Toamasina no hisantaran’ny fikambanana izany manomboka anio, entina hanomezan-danja ny 80 %-n’ireo Malagasy izay nomarihiny manokana fa mbola nisy naneho ny heviny hatreto. Tolona hatrehinay izany hoy izy fa tsy vita mora saingy tsy maintsy hatao hanavotana ny mpiray tanindrazana. Tsy nanadino ireo mpanao fanatanjahantena eto an-drenivohitra ny fikambanana omaly. Ekipa roa no indray notolorany fanamiana tetsy  67 ha omaly dia ny XV SERAA avy ao Ambodirano sy ny XV avy ao Andohatapenaka. Fitiavana tsy misy takalony, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina no antony hanaovany izany  mba hisian’ny fifanomezan-tanana eo amin’ny samy Malagasy. Mikasika ny raharaham-pirenena ankehitriny moa dia nomarihin’ity filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy ity fa ny firosoana mankany amin’ny fifidianana ihany no tena vahaolana mahomby.

 

Pati

 


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT