Na eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana goavana na amin’ireo sokajiana ho fitrandrahana madinika dia azo lazaina ho matiantoka isika raha ny haba sy ny hetra alaina amin’ireo mpitrandraka harena ankibon’ny tany no resahana.
Malaza amin’izao fotoana ny fitrandrahana ny nikela sy kobalta ary ny fasimainty izay tsy ahazoantsika afa-tsy 2% monja ny haba ary midina ho 1% aza izany raha diovina eto ilay vokatra mialoha ny fanondranana. Ny lalàna momba ny fampiasam-bola goavana eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany no mamaritra an’io taha io izay mihatra amin’ny fifanarahana amin’ny orinasa Ambatovy. Rehefa ampitahaina amin’ireo firenena hafa eo anivon’ny SADC fotsiny dia tena voa mafy isika satria 2 ka hatramin’ny 15% ny haba alain’izy ireo. Rehefa atambatra amin’ny hetra alaina amin’ny karama izany dia tafakatra 35 hatramin’ny 40%. Ny QMM anefa tsy mandoa afa tsy ny 15% amin’ilay hetra alaina amin’ny karama. Raha ny zava-misy erantany dia manondrotra ny haba sy hetra alainy ankoatra ny famerana ny vokatra azo trandrahana sy aondrana ny firenena vahiny mpamokatra harena ankibon’ny tany.
Mihazakazaka
Nakarin’ny governemanta sinoa ny haba alainy amin’ny fanondranana “terre rare” sady noferany koa ny fitrandrahana ity akora ity ka mihazakazaka aty amintsika avokoa ireo orinasa goavana erantany. Toy izay koa ny politika ampiharin’ny governemanta Indiana izay nampakatra 20 hatramin’ny 30% ny haba alaina fanondranana ambonin’ny famerany ny fanondranana ireo akora tsy voaodina. Firenena miroborobo ara-toekarena fatratra i Inde sy Sina ankehitriny ary mitady akora hampiasainy amin’ireo orinasany ka ny karazana vy no tena tadiaviny. Marihina fa orinasa Indiana avokoa no lohalaharana amin’ireo mpamokatra vy toy ny Arcelor mittal sy ny Tata. Io antony io no mahatonga ny Wisco eto amintsika mikatsaka hahazo ny fitrandrahana ao Soalala. Azon’ny mpitondra atao tsara no manararaotra ny habetsahan’ny filàna erantany hanondrotana ny haba sy hetra alain’ny fanjakana, indrindra fa ny fanatanterahana ny fitsinjarana ny vokatra na “partage de production” izay tena ahazoana tombony betsaka fa tsy mbola mihatra eto amin’izao . Any Nouvelle Calédonie izao dia mahatratra 40% ny anjaran’ny fanjakana raha 60% no an’ny orinasa mpitrandraka. Tsy ahiana ny hisintahan’ireo orinasa efa mitrandraka eto na ovaina aza ny lalàna manankery. Na misy aza no mitsoaka andaharana dia be dia be ireo misisika hiditra eto satria anisan’ireo firenena manana tahiry betsaka i Madagasikara izay ankehitriny vao manomboka tsikelikely ny fitrandrahana azy.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.