Actualités

GTT Toamasina Mitsipaka ny sori-dalan’ny Dr Simao


  • Alarobia 16 Febroary 2011

Tsy miova tamin’ny heviny fa nanohy hatrany ny fijoroany amin’ny fametrahana ny ara-dalŕna ny GTT International, toraka izany ny GTT Toamasina na vao haingana aza no nijoroany.

Ny volana desambra 2010 teo no nananganana ny sampan’ny GTT ao Toamasina, ka Atoa Ndiamahazo Mickaelys na hoe “Kamy”, no mitarika izany any an-toerana. Vokatry ny fivoaran’ny toe-draharaha misy ara-politika sy sosialy eto amin’ny firenena, dia naneho ny heviny koa ireto GTT Toamasina ireto, ka nilazan’ny filohany fa «tsy vahaolana velively hivoahana amin’izao krizy eto Madagasikara izao iny sori-dalana naroson’ny Dr Simao iny». Sakana lehibe hivoahana amin’ny krizy mantsy ny tsy famelana ny filoha Marc Ravalomanana, hiverina an-tanindrazana sy ny tsy famelana azy hirotsaka hofidiana amin’ny maha olom-pirenena manan-jo azy, eo amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena. Manana anjara toerana lehibe amin’ny famahana ny krizy politika eto Madagasikara mantsy ny filoha teo aloha na be ny fanenjehana mihatra aminy sy ny famotehena ny fananany ary ny fanakantsakanana atao aminy amin’ny alalan’ny politika maloton’ireo “mamba” politika.

Hiteraka krizy anatin’ny krizy noho izany iny sori-dalan’ny Dr Simao iny raha mizirizizy mampihatra azy ny fitondrana tetezamita. Miantso ity farany noho izany ny GTT Toamasina mba tsy handray fanapahan-kevitra an-kamehana. Miantso ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena koa izy ireo mba hikatsaka hatrany ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy sy ny firenena izay efa tena latsaka an-davaka sy ao anaty fahantrana lalina. Tsara ny manamarika fa ny GTT Toamasina dia miara-dia amin’ny fikambanana GTT International tarihin’i Vony Rambolamanana, mpisolovava mahay manokana momba ny zon’olombelona ary miasa sy monina any Frantsa.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT