Miisa 16 mianadahy ankehitriny ireo voafonja karakarain’ny Groupe Tsaramanasoa eny Itaosy izay efa nahefa ny an-tsasaky ny saziny teny am-ponja. Ankoatra ny fampianarana azy ireo hivavaka dia omena fiofanana arak’asa ihany koa izy ireo toy ny fampianarana nahandro, ny zaitra, ny
fikirakirana solosaina, ny sehatry ny fampianarana raha tsy latsa-danja amin’ireo ny fiainana ara-panahy. Tanjona ny hahafahan’izy ireo manana ny antom-pivelomany rahatrizay tafaverina eny anivon’ny fiarahamonina izy tsy hanaotaovany foana intsony. Nanatanteraka fihaonambe ny Groupe ny faran’ny herinandro teo, natrehin’ny solontenan’ny minisiteran’ny fitsarana, ny talem-paritry ny fandraharahana ny fonja, ary ny lefitry ny lehiben’ny distrik’Atsimondrano. Nambaran’ny talem-paritry ny fandraharahana ny fonja nandritra izany fa anisan’ny asa hiandraiketan’izy ireo faharoa ny fiaraha-miasa amina sehatra mikarakara ny voafonja tahaka izao hahafahan’ny roa tonta mifanome tanana. Tafiditra ao anatin’izany ny fikarakarana ny zanak’ireo voafonja izay marihina fa saika miaraka amin’ireo ray aman-dreniny avokoa, ho an’ny groupe Tsaramanasoa manokana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.