Actualités

Groupe SOCOTA Notoloran’ny CNaPS mari-pankasitrahana


  • Alakamisy 05 Jolay 2018

Nanolotra mari-pankasitrahana ireo mpitantana ny orinasa SOCOTA noho ny fandraisana andraikitra ataon’izy ireo amin’ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa, ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy (CNaPS) omaly ka tany Antsirabe no nanatanterahana ny lanonana.

Misy orinasa valo izay hita ao amin’ny faritra Vakinakaratra, Analamanga ary DIANA ny SOCOTA : Cotona S.A,  Cotona Real Estate, Cotona line, Cotona Agriculture,  LGA Oso Farming Ambilobe,  Socota Phoenicia, Socota S.A, Socota Agro-industriel. Ny tale jeneralin’ ny CNaPS, Arizaka Rabekoto Raoul mihitsy no nidina tany an-toerana nanolotra izany an’i Bertin Fabrice,  tale misahana ny Mahaolona ao amin’ity vondrona orinasa ity. Tsy mitsahatra ny CNaPS amin’ny ezaka ataony ho fampahafatarana ny mpiasa ny adidy sy ny zon’izy ireo. Noho izany indrindra dia efa azo jerena eny amin’ny biraon’ny CNaPS avokoa ny kaonty mikasika ny latsakemboka ataon’ny mpiasa na koa azo tsidihina ny tranokala www.cnaps.mg. Fa alohan’izay dia mila maka teny miafina eny amin’ny birao ka mitondra kara-panodro sy karatra maha mpikambana. Nandritra ny lanonana omaly ihany koa no natao ny  fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy fa misokatra sy azon’ny mpiasa tsidihina ny latsakemboka 2015 sy 2016 ao anatin’izany kaonty manokan’ny mpiasa tsirairay izany.  Ankoatra ny mari-pakasitrahana moa dia natolotry ny CNaPS ireo mpiasa ihany koa ny kaonty manokan’izy ireo haahafahany manamarika ny fizotry ny latsakemboky ny orinasa iasan’izy ireo amin’ny maha mpiasa azy. Nisaotra ny CNaPS noho ny ezaka ataony amin’ny fampahafantarana ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fanampiana ireo orinasa Atoa Bertin Fabrice, Tale misahana ny Maha olona ao amin’ny orinasa SOCOTA sady nampirisika ireo orinasa hafa mba hanoratra ny mpiasa ao aminy any amin’ny CNaPS. Tetsy an-kilan’izay kosa dia nanindry mafy ny maha zava-dehibe ny fananana kaonty hahafahan’ireo mpiasa manara-maso ny fandrotsahana latsakemboka ho azy ny tale jeneralin’ny CNaPS. Ny fisian’ireo kaonty ireo no antoka  fa voarain' ny CNaPS ny latsakemboky ny mpiasa sy ny mpampiasa, hoy izy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT