Nivoaka tamin’ny fahanginana ny GEC na ny groupe éclaireur de contact hivondronan’ireo mpikambana eo anivon’ny filankevitry ny tetezamita teo aloha. Nambaran’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly fa ny fotoana sarotra eto amin’ny firenena toy izao no tokony hanehoan’ny samy malagasy ny fitiavan-tanindrazana ao anatiny ka hampihetsika ny
hambom-pony. Tokony hifanampy ny rehetra, hoy Jacques Aimée hampamenatra ny vahiny. Ankoatra izay dia nasiany resaka ihany koa ny mikasika ny fampihavanam-pirenena tanterahin’ny raiamandreny am-panahy FFKM amin’izao izay hanomboka hidina eny amin’ny faritra anio. Nambaran’izy ireo hatrany fa samy manana ny hasiny na ny FFKM na ny FFM ( filankevitra fampihavanana malagasy) na ireo raiamandreny ara-drazana noho izany tokony hanao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra izy ireo amin’ny fanavotana ny firenena fa tsy handeha mitsitokantokana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.