Tena mifanandrify amin’ny asa soa fanaonay izao hetsika voin-kava-mahatratra atao amin’ny mpiara-belona eto amin’ny tranombokim-pirenena eto Anosy izao, hoy Atoa Bertin Randriamihaingo nitarika ny Groupe Bertin rallye nanatitra ny anjarany tamin’ny sabotsy teo. Mazava loatra moa fa mifanojo amin’ny hetsika ara-politika amin’ny fanomanana ny
fifidianana hatrehana eto amin’ny firenena atsy ho atsy koa moa ny hetsika ka zaran’ireo mpanao politika tahaka ity vondrona politika ity aza nisy hanararaotana na dia teo aza ny fanampiana ny mpiara-belona tra-pahavoazana. Lelavola moa no natolotr’ity vondrona mpanao politika ity ho fandraisan’anjara tamin’ity indray mitoraka ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.