Nitokona ary mbola mety hanohy izany ny mpitatitra. Mitohy ny fitakiana eny amin’ny kianjan’ny 13 mey.
Tsy hisy fiandrasan-draharaha eny anivon’ny fadin-tseranana sy ny fandraharahana ny hetra, fa raikitra koa ny grevy. Ny fitakian’ny mpampianatra mpanabe ihany koa manginy fotsiny. Hanao “Sit-in” eny amin’ny Esplanade Ankatso manomboka anio alakamisy 28 jona 2018 haharitra herinandro ny mpampianatra mpikaroka (SECES) sy ny mpandraharaha ary ny mpianatra, ka hanao akanjo miloko fotsy sy mainty hanambarana fa marary ny tontolon'ny oniversite. Mikatso ny zava-drehetra na ara-toekarena na ara-tsosialy, indrindra ny ara-politika. Toa tsy misy mihaino ireny fa fanaboriboriana resaka no betsaka. Anisan’ny antso efa nataon’ny filoha, ohatra, ny hiverenan’ny mpampianatra handray ny asany fa tsy hanao sorona ny zaza Malagasy. Ny vahaolana anefa tsy misy na tsy mahafa-po, kanefa dia misy ireo ampahan’olona misitraka tombontsoa maro eto amin’ny firenena. Voalaza fa 10 200 ny mpiasan’ny minisiteran’ny vola, ka handaniana 331, 4 miliara Ar isan-taona ity minisitera ity. Raha ny fanadihadiana, dia 32,5 ariary ny salanisan’ny karama amin’ny ankapobeny isan-taona, ary manodidina ny 2,7 Ariary isam-bolana. Omen-tsiny ve ny sendika samihafa raha manao fitakiana noho ny resaka fitanilana eo amin’ny fitantanam-bolam-panjakana ? Ny kolikolin’ny mpitondra mandeha ihany izay hahafaha-milaza fa misy ny vola fa olom-bitsy no migalabona. Teny efa nataon’ny filoham-pirenena eo anatrehan’ny tsy fahombiazana samihafa moa ny hoe firenena mahantra fadiranovana no noraisiny, ary tsy vita ao anatin’ny iray volana ny fampandrosoana ka dia miandry amin’ny 2030 angamba ny rehetra raha Rajaonarimampianina no andrasana hamaly ny fitakiana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.