Actualités

Grand Sud Est Ho Faritany faha-7


  • Talata 28 Desambra 2010

Io indray no resaka mandeha amin’izao fotoana izao raha toa ka ny fangatahana ny mba hanaovana an’i Vatovavy (Ifanadiana, Ikongo, Mananjary, Nosy Varika) ho Faritra faha-23 mahaleotena eto Madagasikara no notakian’ny zanak’iny faritra iny teo aloha teo.

Amin’izy ireo dia feno ny fepetra haha faritany ny Grand Sud Est izay itambaran’ny faritra Vatovavy Fitovinany (Ifanadiana, Ikongo, Mananjary, Nosy Varika, Manakara, Vohipeno) sy ny Faritra Atsimo Atsinanana (Vangaindrano, Farafangana, Befotaka, Midongy Atsimo, Vondrozo) na eo amin’ny velaran-tany na ny isan’ny mponina. Raha ny lalàmpanorenana nanaovana fitsapan-kevi-bahoaka ny 17 novambra 2010 no jerena dia tsy misy famerana mazava ny isan’ny Faritany, na koa ny anarany. Ao amin’ny andininy faha-3 ary hamafisin’ny andininy faha-143 no manasokajy ny Faritany ho isan’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana miaraka amin’ny Kaominina sy ny Faritra ary Faritany ka ny fari-pahefana sy ny foto-kevitra momba ny fizakan-tena ara-pitondran-draharaha sy ara-pitantanam-bola dia iantohan’ny lalàmpanorenana sy faritan’ny Lalàna. Ny andininy faha-81 indray manazava fa ny Antenimierandoholona no misolo tena ireo Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana sy ireo vondron-draharaha ara-toekarena ary ara-tsosialy amin’ny fanaovan-dalàna.

Ny andininy faha-157 amin’io lalàmpanorenan’ny 17 novambra 2010 io ihany no manazava fa ireo Faritany dia manana zo aman’andraikitra eken’ny lalàna ary koa mahatapa-tena ara-pitondrana sy ara-bola. Izy no miantoka ny fandrindrana sy ny fampirindrana ny asa fampandrosoana ho an’ny tombontsoan’ny faritany sy mitandro ny fampandrosoana ara-drariny sy mirindra ireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ao amin’ny faritany. Ny faritany no manatanteraka ny politika momba ny fampandrosoana ho an’ny tombontsoan’ny faritany voafaritra sy notapahina teo amin’ny filankevi-paritany. Miara-miasa amin’ny antokon-draharaha miankina na tsy miankina amin’ny Fanjakana, ny faritany dia mitarika, mampiroborobo, mandrindra ary mampirindra ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy ao anatin’ny faritany ary miantoka, araka izany, ny vinavinam-pandaminana, ny fanajariana ny tany ary ny fampiharana ny hetsika fampandrosoana rehetra.

Raha raikitra fa ho faritany vaovao ny Grand Sud Est dia anisan’ny manana otrikarena goavana izy, toy ny haren-dranomasina, ny harena ankibon’ny tany toy ny hita amin’iny distrikan’i Mananjary sy Ifanadiana, izay vao nahitana ilay vato kristaly malaza milanja 2,5 taonina farany teo iny. Tsy resahina ireo voly fanondrana maro toy ny kafe, akondro, lodsia izay antom-pisian’ny lalamby FCE (Fianarantsoa Cote Est). Manana faritr’ala maro koa ny Grand Sud Est, raha tsy hitanisa afa tsy ny tandavanalan’Ikongo, ny ala arovana ao Ranomafana izay mahasarika mpizahatany vahiny maro. Ahitana voamboana sy “bois de rose” ihany koa any amin’iny distrikan’i Vangaindrano iny, izay efa misy manomboka mitrandraka an-tsokosoko koa amin’izao fotoana izao. Raha misy koa anefa Faritra misedra olana amin’ny tsy fanjariantsakafo dia iny Gransd Sud Est iny.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT