“Nahitana taratra ny fisokafana”
Tsy nitanila tamin’ny fanendrena ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta vaovao ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra Kolo Roger, hoy ny lehiben’ny Faritra Atsinanana Talata Michel. Nahitana taratra ny fisokafana tokoa mantsy ny nanendrena ireo minisitra tsirairay avy ary tsy latsa-danja amin’izany ny faritanin’i Toamasina, hoy izy.
Miarahaba manokana ireo zanaky ny faritra Atsinanana sy ny faritanin’i Toamasina ny tenany ary maniry hatrany ny hitohizan’ny fiaraha-miasa. Amin’ny maha Administratera sivily azy moa dia niarahaba manokana ny Minisitry ny fitsinjaram-pahefana sy ny Minisitry ny Atitany izy amin’izao andraikitra goavana roa sahanin’izy ireo izao. Nanambara moa ity lehiben’ny faritra Atsinanana ity fa vonona hatrany ny tenany hiaraka hiasa amin’ny rehetra no sady vonona handray ny baikon’ny fitondrana foibe ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.