Actualités

Gisčle Rabesahala Vehivavy niavaka teto Afrika


  • Alarobia 07 Mey 2014

Voatsonga ho anisan’ireo vehivavy nanamarika ny tantaran’i Afrika i Gisčle Rabesahala, araka ny tapaky ny fihaonamben’ny sampanasan’ny Firenena Mikambana misahana ny Siansa sy ny Kolontsaina na Unesco andiany faha-37 ny 13 novambra 2013.

 Mikarakara hetsika mandritra ny herinandro ny fianakaviana miaraka amin’ireo fikambanana marobe nitanany andraikitra samihafa fony fahavelony. Natao izy io ho fanamarihana sy ho fahatsiarovana indrindra io fanapahan-kevitra goavana manome lanja ny firenena Malagasy io. Hifampizarana ireo lova sarobidy napetrany ho an’ny taranaka fara aman-dimby moa no tanjon’ny «Herinandro Gisèle Rabesahala» ny 07 hatramin’ny 10 mey 2014 izao.

Entina manokatra ny hetsika ny fitokanana tsangambato amin’ny anaran’ity mpanao politika vehivavy Malagasy sangany ity eny Andravoahangy Ambony. Hisy ihany koa ny fampirantiana mitondra ny lohateny «Gisèle Rabesahala, vehivavy Malagasy ao anatin’ny tantaran’i Afrika» mirakitra ny tantarany sy ireo zava-bitany. Tsy ho diso anjara ao anatin’izany ireo famelabelarana arahina adihevitra mikasika ny sehatra politika nolalovany, ny asa notanterahany ho fampiroboroboana ny tontolon’ny vehivavy ary ny nampisongadina azy teo amin’ny tantara afrikanina.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT