Hisy herinandro fahatsiarovana an’i Gisèle Rabesahala amin’ny 7-8-9 mey izao, mifanandrify indrindra amin’ny faha-85 taona nahaterahany. Hisy fitokanana tsangambato fahatsiarovana azy eo Andravoahangy Ambony. Hanamarika ny fotoana ihany koa ny fampirantiana ny tantaram-piainany ary koa loabary an-dasy, izay hatao ao amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.