Actualités

Gérard Ramamimampionona “Mila mahay miara-monina ny fiangonana sy ny fanjakana”


  • Zoma 20 Janoary 2023

Samy manana ny hasiny, lanjany, hajany, iraka ampanaovina azy ny fiangonana sy fitondram-panjakana eo amin’ny firenena iray sy maneran-tany, hoy ny mpahaifiarahamonina sady filoha lefitry ny filankevitry ny fampihavanana

malagasy na CFM teo aloha, Gérard Ramamimampionona. Vahoaka iray ihany anefa, hoy izy, no iantefan’ny asan’ny fiangonana sy ny fitondram-panjakana. Mila mahay miara-monina sy mifameno ary mifampitantana fatratra anaty fifampitokisana feno toy ny mpirahalahy mianala, noho izany, ny fiangonana sy fitondram-panjakana ka samy manao ny andraikiny sy ny asany am-pahamarinana ao anatin’ny feon’ny fieritreretany. Eo anatrehan’Andriamanitra sy ny tanindrazana fa izay no antoky ny fandrosoana sy fiadanana. Antenaina fa samy olobe, samy raiamandreny manam-panahy, samy voaantso sy voahiraka na ny mpitondra fiangonana na mpitondra fanjakana isan’ambaratongany. Samy afaka mandini-tena sy mandanjalanja fatratra ka mahay misoroka na mandamina sy manasitrana izay rehetra disadisa na lonilony. Ho ohatra tsara sy velona ho an’ny mpino sy ny vahoaka tsy an-kanavaka ka hankamamiana mandrakariva ny filaminana, ny fitoniam-po, ny fiarahamonina. Hanalavitra kosa ny fifampitsarana zary fifanaratsiana ary tonga fifampiapangana zary mampisaratsaraka. Tsy mahasoa antsika sy ny tanindrazana izany. Tsara angamba raha atodika any amin’izay fifampitantanana tokony hisy eo amin’ny fiangonana sy fanjakana ny fo sy ny sain’ny rehetra fa tsy sanatria hifampitsara, hifanaratsy ary hanamarin-tena. Tsy afaka mifampitantana raha tsy mifankatia, mifanaja, mifampatoky, mifampitarika ho amin’ny tsara. Mila mandini-tena marina ny rehetra. Mba samy miteny sy mihaino am-pitiavana sy fahamarinana ka miaina sy manao ny andraikiny manandrify azy avy, araka izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT