Entana fampiasa amin’ny fiainana andavanandro toy ny savony 6 baoritra, afokasoka 10 fonosana, ody moka 20 fonosana, Sur’eau 2 baoritra ary labozia 20 fonosana no natolotry ny ekipan’ny mpikirakira vaovao ao amin’ny gazety Tia Tanindrazana
izay anisan’ny nanamarika ny androm-pirenena ho an’ny fiaraha-mientana ho fanampiana ireo traboina manerana ny nosy. Ireo no anjara biriky voin-kava-mahatratra nentin’ireo mpiara-miasa ao amin’ity gazety mpivoaka isan’andro ity natao ho fanampiana sy fankaherezana ireo mpiray tanindrazana niharam-boina notanterahana ny sabotsy lasa teo teny amin’ny tranombokim-pirenena Ampefiloha. Ny gazety Tia Tanindrazana izay sahy mijoro ho an’i Gasikara efa ho 5 taona izao ary vonona hatrany ny hifanolo-tanana ho an’ny vahoaka Malagasy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.