Nampahafantarina tetsy amin’ny Karibo hotel Analakely omaly ny fivoahan’ny laharana voalohan’ny gazety Kristianina mpiseho isan-kerinandro, « Ora fahafiry izao ? ».
Tsy mitondra anaram-piangonana akory ny gazety, raha ny fanazavan’ny mpamorona azy, Angela Ravaoharivony fa tena natao hampahatsiahivana ny Kristianina fa akaiky ny farany. Hita ho miha mivarina amin’ny faharatsiana, hoy ny tenany, ny olona ary na ny Kristianina aza dia maro no lasa anarany fotsiny. Manontany fotoana ny gazety hoe aiza ho aiza amin’ny farany nilazan’i Jesoa Kristy fa hiverenany indray isika izao, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.