Actualités

«Gare routičre» Ambodivona Manjaka ny gaboraraka


  • Alarobia 08 Aogositra 2012

Mbola manjaka tanteraka ny gaboraraka eny amin’ny fiantsonan’ny zotram-pitaterana nasionaly eo Ambodivona.

 Samy manao izay tiany na ny fiara mpitatitra olona na ireo mpitatitra entana na ny mpandeha an-tongotra ihany koa. Mila fitandremana ny fandalovana amin’ity toerana ity eo amin’ny lafiny rehetra. Fa izay tena mampitolagaga eny an-toerana dia ny fitohanan’ny fifamoivoizana tsy misy toy izany na dia amin’izao andron’ny fialantsasatry ny mpianatra izao aza. Maharitra hatrany amin’ny 40 minitra na efa ho adiny iray mihitsy aza indraindray no hanalana ny lalana tsy misy 1 km akory. Tsy misy fandaminana matotra avy amin’ny mpandrindra ny fifamoivoizana, izy ireo aza matetika tsy hita eny an-toerana nefa tokony hampitomboina ny isany. Tsy natao ho an’ny olona mora miakatra tosidra na kintokitohina mihitsy ny fandalovana amin’iny lalana iny fa tena lalan-tsarotra, araka ilay hira malaza. Tohizo any an-kafa ny lalanao raha te hilamin-tsaina. 

 
Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT