Toy ny tanora rehetra manerana ny Nosy, amin’izao iray volana sy dimy andro katroka tsy hanombohan’ny fifaninanana any Brezila izao, dia mba maniry mafy ny hanaraka mivantana ireo lalao rehetra amin’ny Mondial 2014 hotontosaina any Brezila (12 jona-13 jolay) ny Gaonan’ny Kaominin’i Morarano Chrome.
Olana anefa, hoy izy ireo, ny tsy mbola nahatafidiran’ny jiro aty aminay ka ny olom-bitsy manana gropy na «panneau solaire» no manararaotra mandefa fahitalavitra vahiny hanarahana ireny lalao baolina kitra iraisam-pirenena ireny ary dia mandoa vola izay te hijery izany. Efa feno andrinjiron’ny Jirama mitsangana manerana ity kaominina ity miala any ranomainty mandalo an’Ankoririka sy ny Tsenan-dRabary ka hatrany Morarano Chrome mihitsy. Midika izany fa efa nisy tetikasa nahazoam-bola tao matoa nanangana ireny andrinjiro ireny ny Jirama, tamin’ny andron’ny filoha Ravalomanana, hoy ny fanazavana azo, saingy tsy nitohy ny asa noho ny fidirantsika tao anaty rafitra tetezamita. Manantena an’ireo solombavambahoaka voafidy avy any amin’iny Faritra Alaotra Mangoro iny, araka izany, ireto tanora ireto, araka ny lokaloka efa nataon’izy ireo tamin’ireny fampielezan-kevitra ireny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.