Rehefa mety ho ban-kira ka mahafeno ny famaritana ny atao hoe : “Kanto” dia samy lalaovin-dRazafimbelo Fy Ny Aiko avokoa ary voafehiny. Tany amin’ny taom-pahazazany izy dia efa mpiondana mozika tanteraka,
hoy ny rainy Razafimbelo Norbert izay mpitantana azy anatin’ny habaky ny mozika. Miavaka amin’ny fananana feo mahatakatra ny avo ary tsy sahirana ihany koa amin’ny fiangaliana ny feo iva miampy ilay angola maha Malagasy i Fy Ny Aiko, anarana entiny anatin’ny kanto an-kira. “Ho leo aho”, no vazo nentiny namakiana lay sy nanambarany ny fisiany anatin’ny tontolon’ny mozika. Maro no efa babon’ity vazo ity noho izy narindra amin’ny fomba tsotra nefa kanto ary mirakitra hafatra mafonja mendrika horaisina. Amin’ity taona ity no hamoaka ny kapila mangirany voalohany i Fy Ny Aiko, izay azo sokajiana sahady fa iray amin’ireo afaka hitondra avo ny fanevan’ny mozika malagasy atsy aoriana kely
Lalasoa R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.