Actualités

Franc-maçon Ny tantarany


  • Sabotsy 26 Aprily 2014

Ny teny hoe «Maçonnerie» dia nentina nilaza ireo «mpipaika vato» (tailleur de pierre) araka ny famaritan’ny teny frantsay azy.

 Tany am-boalohany dia fikambanan’ireo mpanao mari-trano (architecte) sy mpanao trano (maçon) ity fikambanana ity, «franc-métier baptisseur des édifices religieux et civils» na koa antsoina hoe «franc-maçon opératifs» dia ireo mpanao mari-trano sy mpanori-trano, niasa mivantana tamin’ny tanany. Taty aoriana, niforona ny antsoina hoe «Grande loge de Londres» tamin’ny taona 1717 ka niova tanteraka ho foto-kevitra filozofika (spéculative) ny fikambanana ary niroso amin’izao endrika tsy dia fantatry ny maro izao. Ny Mpandinika sasany dia nihevitra fa efa tany amin’ny taona 1337 tany no niandohan’ny «franc-maçons» tao anatin’ny vanim-potoanan’ny «Guerre de 100 ans» ary ilay fikambanana antsoina hoe : «Compagnie des Maçons de Londres» no fandaminana «franc-maçonnique» voalohany indrindra.

Ny tena manahirana ny maro amin’ity resaka «franc-maçonnerie» ity, ankoatra ny tantarany dia ny hoe : inona marina moa izy ity ? Inona izany antsoina hoe «loge» izany ? Toa hoe «misy grady», hono, ny franc-maçon ? Toa misy «secret», hono, ao ka tsy azo lazaina amin’ny olon-kafa ? Dia maizina sy miha maizina eo ny fisainana ka tonga ny tahotra sy ny tsaho samihafa.  Inona no marina sy diso amin’ireo voalaza ireo ?

Ny antsoina hoe «loge» na «atelier» dia misy mpikambana fito farafahakeliny vao afaka miorina, ary samy manana ny anarana iantsoana azy ny tsirairay aminy, toy ny «Grande loge de Londres», «Loge écossaise» ... Io no «vondrona fototra» (groupe de base) ao amin’ny fikambanan’ny «franc-maçons». Any amin’ny «loge» sasany dia takiana ny hananan’ireo mpanorina fito ny «grade de maitre». Ny “loge” tsirairay dia eo ambany fitarihan’ny antsoina hoe “Vénérable Maitre” ary ny toeram-pivorian’izy ireo dia ao amin’ny “temple maçonnique” : tempoly manana endrika manokana ahitana ireo famantarana ny “franc-maçons” izay tena manana ny heviny sy ny dikany avy, eo anatrehan-dry zareo mpikambana ao sady voakajy hanana endrika (architecture) hafakely, mifanaraka amin’ny foto-kevitra sy ny finoan’ny “franc-maçon”. Io fivoriana io no antsoina hoe “tenue”. Manao karazana “tablier” ny “maçonnique” rehefa manao ny fombany, amin’izany dia samy manana ny lokony sy ny endriny avy, arakaraka ny gradin’ilay olona ary tsy azo entina ivelan’ny toeram-pivoriana izany. Ny iombonan’ny tempolin’izy ireo matetika dia ny tsy fisian’ny varavarankely eo amin’ny tempoly fa varavarana lehibe fidirana ihany. Asa izay mety ho dikan’izany fa mba anjarantsika mpamaky koa indrandray no mandinika azy araka ny Soratra Masina hoe :

“Diniho izay lazaiko, fa homen’ ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin’ ny zavatra rehetra ianao.”(II Timoty 2 : 7)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT