Actualités

Fpvm Marisarisa


  • Talata 08 Febroary 2011


Mivoatra hatrany ny resaka Fpvm amin’izao fotoana izao. Miseho lany ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ireo samy mpitarika taorian’ilay resaka horonantsary mamoafady. Omaly no tokony ho notontosaina tao amin’ny efitra faha-7 eny amin’ny lapan’ny Fitsarana Anosy ny fandinihana ny fitoriana nataon’ny mpikambana iray anisan’ny mpanorina ity finoana ity ny pasitera mpitantana ao. Ity farany izay nangataka didy avy amin’ny Fitsarana ahafahany nandrava ny filankevi-pitantanana sy ireo mpikambana amin’ny sinoda rehetra.

Nahazo io didim-pitsarana io tokoa ny tenany. Didy fampiatoana io didy azon’ny pasitera mpitantana io no nangatahan’ireo mpikambana sasany tao amin’ny komity mpanorina ity finoana ity ny fampiatoana azy. Tsy tontosa anefa izany fa nahemotra ny 14 febroary izao. Marisarisa araka izany ny fiainam-piangonana ary ahiana mihitsy aza ny hivakisan’ny Fpvm ho roa raha efa nisintaka ny Fkfm amin’izao fotoana izao.

 Rakoto Maxime

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT