Actualités

« Fotoan-gasy » Misy fiantraikany ratsy amin’ny fampandrosoana


  • Alakamisy 02 Aogositra 2018

Noho isika tsy namorona ny famataranandro na famantaranora ve no antony tsy nahaizantsika nitantana fotoana fahagola ka hatramin’izao sa ilay “kolontsain’ny fotoana” mihitsy no nisy lesoka ny antsika ?

 

 Rehefa miresaka fotoan-gasy dia fahatarana lava izay no ao an-doha. Ny Ntaolo tokoa rehefa hilaza fotoana dia tsy mba niteny amin’ny 8 ora maraina na 9 ora maraina na 12 ora antoandro na amin’ny 8 ora alina fa dia “mivoaka omby” no anondroany ny amin’ny 8 ora maraina eo ho eo. “Mivoaka omby terabao” raha amin’ny 9 ora maraina eo ho eo. Toy izany koa ny “mitatao vovonana” sy ny “manokom-bary olona” sy ireo hafa marobe. Izany hoe tsy misy filazam-potoana matotra fa dia eo ho eo daholo. Efa tsapa hatrizay anefa izy io fa nisy fiantraikany amin’ny fampandrosoana ary ratsy ny vokany mitaha amin’ny “time is money”, izay kolontsain-dry zareo japoney. Lasa mora mifampiala bala ny mpifanao fotoana ka samy afaka milaza ho efa nandalo daholo saingy tsy nifankatazana. Na ireo manampahefana sy mpanapa-kevitra aza dia matetika tsy tia mampiasa loatra ny afaka ora 1 na ora 2 na afaka 30 minitra fa dia “rehefa avy eo”. Hita ho mandrafitra ny fomba fisainan’ny mpiara-monina mihitsy ilay fomba fanao izay heverina fa hodian’ny rehetra fanina ny maha ratsy azy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT