Tranga tsy faheno firy no nisy tany amin’ny Kaominina ambanivolo Ifotaka, Distrikan’Amboasary Atsimo ny zoma teo. Tadiavin’ny malaso hotafihina ny tobin’ny zandary ao an-toerana. Nahasambotra malaso roa mantsy ny zandary tao Ifotaka. Io no voalaza fa tsy levon’ny vavonin’ireo malaso ka nahatonga azy ireo nihevira fa hanafika ny toby. Voatery niantso vonjy nila tohana avy ao Amboasary Atsimo sy Tolagnaro ny zandary tao. Ny faran’ny herinanadro teo ihany dia efa tonga any an-toerana ireo andiana zandary avy ao Amboasary Atsimo sy Tolagnaro.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.