Actualités

Fonjan’i Tsiafahy Savaina isan-kerinandro


  • Alakamisy 23 Desambra 2010


Araka ny loharanom-baovao dia nisy fisavana isan-kerinandro teny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy. Fisavana ny fonja iray manontolo mihitsy araka ny fantatra izao atao izao. Tsy fantatra izay tena anton’izany fa araka ny voalazan’ny tomponandraikitra eny an-toerana dia noho ny fitandroana ny fiarovana ny fonja. Raha ny tsiliantsofina kosa anefa dia fantatra fa misy ny resaka mandeha mikasika ireo miaramila betsaka ao amin’ity fonja ity. Atahoran’ny mpitondra mafy ireo miaramila ireo ka izay no mahatonga izao fisavana isan-kerinandro izao. Ireo voafonja tao hatramin’izay dia nahatsapa io fiovana io raha vantany vao tonga tao ireo manamboninahitra voarohirohy tamin’ny resaka BANI iny. 

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT