Actualités

Fomba tsotra sy mora hiadiana amin’ny asan-jiolahy


  • Alakamisy 05 Martsa 2015

Manoloana ny asan-jiolahy manerana ny nosy ankehitriny, dia tokony hifanome tanana ny rehetra hiadiana amin’ny mpanao ratsy. Indreto misy toromarika vitsy, nefa tsy mila andaniana vola be, ahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana.

Laharan’ny mpitandro filaminana akaiky indrindra.

Io no fihetsika voalohany tsy maintsy atao. Matetika mantsy dia miova ny tompon’andraikitra amin’ny faritra iray, ka tsara kokoa raha miverina manontany foana ny laharana telefaonina mety ahazoana ireo zandary na polisy. Ny tena mahomby dia laharana maromaro no alaina satria mety tsy ho azo ny laharana sasany amin’ny alina.

Mpiandry iombonana ety ivelany

Zava-dehibe ihany koa ny firaisankina amin’ireo mpiara-monina. Tsara raha misy mpiambina 2 na 3 isak’alina ho an’ny tokantrano maromaro. Tsy mijanona ao an-tokantrano izy ireo fa aty ivelan’ny vavahady. Zava-dehibe izany satria ry zareo no afaka hiantso vonjeo fa tsy sanatria ho voahidy ao anatiny raha sanatria ka miseho ny loza. Mazava ho azy fa tokony hanana fahana foana ny iray amin’izy ireo, ary ireo laharana finday voalaza teo ambony dia tokony hampiasain’izy ireo.

Tsy mitondra lelavola mody

Na inona na inona fahamaizana, dia tsy tsara intsony amin’izao fotoana ny mitondra lelavola betsaka mody. Na dia heverina ho vola kely aza no entinao dia efa hahavitan’ireo mpanao ratsy fanafihana. Raha azo atao izany dia vola izay mety hilaina raha sanatria misy olana tampoka amin’ny alina no entina mody. Ny lelavola mantsy dia mety ho tsikaritry ny sasany rehefa any am-piasana na eny an-tsena na eny amin’ireo toerana fisotroana ny hariva, ka manita-kevitra izy ireo avy eo.

Alika ao an-trano

Raha salama tsara sy voakarakara ny alika, dia tsara kokoa izy ireny ao an-trano amin’ny alina. Izy ireny mantsy no manaitra voalohany ny tompon-trano raha vao misy zava-miseho tsy mahazatra. Mila arahina maso akaiky kosa anefa ny fahasalaman’ny ankizy satria ny zazavavy dia tsy dia tsara loatra mifandray be loatra amin’ny biby fiompy misy volony, tahaka ny saka sy ny alika fa mety tsy hampiteraka izany any aoriana. Tsy misy maniry ny hitrangan’ny loza saingy aleo mivonona foana amin’ny zava-drehetra izay mety hiseho, indrindra fa amin’izao vanim-potoana tena mampirongatra ny fanendahana sy ny vaky trano eto amintsika izao.

Tevez

https://ssl.gstatic.com/ui/v1/icons/mail/images/cleardot.gif

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

Hijery ny tohiny
FTT