Feno iray volana amin’ny alahady 26 desambra ho avy izao ny nampidirana tany am-ponja ireo manamboninahitra voarohirohy tao anatin’ny raharaha BANI, resaka fanonganam-panjakana moa no hiampangana azy ireo ary eny Tsiafahy no tazomina am-ponja ny sasany amin’izy ireo, ny hafa kosa ao Antanimora.
Efa nifandimby nohadihadiana teny amin’ny zandary mpanao famotorana sy ny zokiolona amin’ny mpitsara teny Anosy moa ireto manamboninahitra ireto, ary nisy koa aza ny olon-kafa sivily sy miaramila voaantso noho ity raharaha ity. Raha araka ny fantatra dia mitohy hatrany ny fanadihadiana sy ny famotrorana na dia ao anatin’ny fety aza satria mandeha ny resaka fa mila atao haingana ny fitsarana iny raharaha BANI iny. Hita ho sahirana ihany anefa ny ao amin’ny fitsarana amin’ny fanangonana ireo porofo maro samihafa hiampangana na hanafahana ireo voarohirohy noho ilay raharaha misy loko politika. Ankoatr’izay dia natevitevina ihany koa ny vola nihodinkodina nanodidina ny raharaha BANI, ary maro be ireo nahazo tombontsoa tamin’izany kanefa tsy voaarakaraka hatramin’izao.
Fa araka ny tsiliantsofina re ihany koa dia mbola misy manamboninahitra telo hafa karohina. Voalaza fa mahafantatra zavatra maro manodidina ny drafitra saika nampiharina teto niainga tamin’iny 17 novambra iny ireto manamboninahitra ireto, saingy tsy voasambotra teny Ivato tamin’ilay fanafihana nataon’ny GP sy ny FIS. Ny ritsoka mandeha etsy sy eroa ihany koa no mbola nahafantarana fa misy ihany koa ireo manamboninahitra lefitra sy vata miaramila tafiditra tao anatin’iny raharaha iny no mbola miriaria any amin’izao fotoana, ary ny tena manahirana amin’ilay izy dia voalaza fa manana fitaovam-piadiana izy ireo. Ny mpitandro ny filaminana rahateo sady tsy nandà no tsy mbola nanaiky izany, fa ny hita aloha dia tsy mbola nisy ny tatitra mazava ny amin’ny hoe : nisy marina ve sa tsia ny fitaovam-piadiana tafavoaka teny Ivato nandritra iny raharaha BANI iny, ary raha nisy dia miisa firy sy karazany manao ahoana avy izany ? Mifanindran-dalana amin’izay dia tsy tony ny eo anivon’ny foloalindahy ary mampatahotra ihany ny zavatra mety mbola hitranga raha tsy voatsabo haingana io aretina mikiky io. hatramin’izay nisian’ny fitondrana tetezamita izay antsy dia tahaka ny vahaolana maimaika foana no nampiharina tamin’ireo sehatr’asa nahitana olana, ka anisan’izany ny foloalindahy.
Nampitombo ny fahasosoran’ny miaramila sy ny zandary izany ary niteraka ireny kazarana fikomiana nitrana teny amin’ny RAS Ampahibe sy ny FIGN Fort Duchesne ary farany teo teny amin’ny BANI Ivato. Mandeha ny feo amin’izao fotoana fa tsy hoe mipetra-potsiny ireo ampahana miaramila tsy mankasitraka ny famahana ny krizy ataon’ny mpanao politika amin’izao fotoana, saingy tsy fantatra mazava aloha ny zavatra tena tian’izy ireo atao. Ny azo antoka fotsiny dia ao anatin’ny fahasahiranana ny foloalindahy satria maro be ireo hevitra mifanohitra ao anatiny, manampy izay dia fantatra fa mbola nahatezitra ny miaramila amin’ny ankapobeny ireo GP (Garde Présidentielle) sy ny FIS nikasa ny hanafika teny Ivato tamin’ireny raharaha BANI ireny. Nampatsiahy ny manamboninahitra iray fa resaka tahaka ireny no nahatonga ny CAPSAT nivoaka ny toby nisy azy niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana ny 9 martsa 2009, ka tokony hitandrina ihany ny manampahefana amin’ny zavatra ataony satria tena saropady io resaka foloalindahy io fa tsy vitan’ny basy arantiranty fotsiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.