Actualités

Fokontany Fitomilasy-Bevokatra Nahazo lavadrano manara-penitra tamin’ny misiona koreanina


  • Alatsinainy 12 Mey 2014

Na dia ao an-drenivohitra Antsirabe aza dia anisan’ireo Fokontany mbola manana olana amin’ny rano fisotro madio ny Fokontany Fitomilasy-Bevokatra. Nivaha ny olana ankehitriny noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny Misiona Protestanta avy any Korea Atsimo sy ny Kaominina Antsirabe Renivohitra.

 Nisy ny fanorenana lavadrano manara-penitra nataon’ireto Misionera ireto natolotra ny Fokontany izay iray volana monja no nanorenana azy. Miavaka ity lavadrano ity satria tsy ho ritra mihitsy ny rano ao mandritra ny taona maro noho ny fanadihadiana lalina nataon’ny manampahaizana manokana niara-niasa tamin’ireo Misionera ireo raha ny nambaran’Atoa Randrianarison Olivier, Lefitra voalohan’ny Delegasiona manokana nisolotena ny Kaominina Antsirabe renivohitra. Nisy ihany koa ny fandraisan’anjaran’ireo mponina tamin’ny fanorenana ny fotodrafitrasa. Ankoatra ity lavadrano ity moa dia efa nisy ny fanolorana efitrano sekoly ho an’ny EPP Sahatsara eto Antsirabe voalohany ihany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT