Trano maromaro ahitana fianakaviana 311 eny amin’ny fokontany Andohan’i Mandroseza indray no tsy maintsy horavana ato ho ato. Raha ny fantatra dia misy karana mikasa hividy ny toerana ka voatery tsy maintsy esorina ireo mponina.
Mpivarotra manana trano manamorona ny arabe ny ankamaroan’ireo olona. Raha ny fanazavana nomen’ny mponina iray dia efa nisy ny didim-pitsarana nivoaka nilaza fa afaka mipetraka amin’ny toerana izy ireo. Gaga anefa izy ireo ankehitriny fa mbola misy hatrany ny filazana fandroahana. Nilaza hatrany ireo mponina fa misy tany an’ny kaominina eo akaikin’ny misy azy ireo izay heverina fa io no namidy tamin’ilay karana saingy nalain’ity farany hatramin’ny azy ireo. Raha ny hita dia efa misy fefy fanitso avokoa ireo tany ary efa miroso amin’ny fandravana tsikelikely ireo karana. Mitohy hatrany ny fanjakazakan’ny vahiny eto amintsika, indrindra ireo teratany karana izay tena malaza amin’ny fanodinana fananam-bahoaka.
Tojo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.