Manoloana ny tsy fandriampahalemana ateraky ny fisiana kianja fampiadiana akoholahy atao ao aminy eny Analamahitsy eny dia nanao fangatahana hitakiana ny hanafoanana io kianja io ny manodidina.
Nisy ny taratasy nalefa tany amin’ny fokontany, ny fiadidiana ny boriborintany faha V, ny polisy, lehiben’ny distrika, ny kaominina, raha ny fanazavan’ireo fokonolona, saingy tsy mbola nivaly. Ny kianja mitondra ny anarana « Parc et Jardin Analamahitsy » moa no tian-kambara eto ary manahy ireto fokonolona ireto fa nandray kolikoly tamin’ny tompon’ity kianja ity ireo tompon’andraikitra nandefasana ny taratasy. Horakoraka sy tabataba, fandefasana fanamafisam-peo faran’izay mafy, fitsofana kiriorioka tsy ahafahana manavaka ireo tontakely sy mpilalao intsony no zava-nisy teny amin’ity kianja ity, hoy ireo mponina. Nitaraina ho niharan’ny fandrahonan’ilay tompon’ny kianja rahateo moa ireo mponina ka miantso ny tomponandraikitra voakasika mba tena handray ny andraikitr’izy ireo marina.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.