Actualités

FJKM Mitaky ny hanokafana tsy misy fepetra ny “Radio Fahazavana”


  • Zoma 02 Mey 2014

Mitaky ny hanokafana tsy misy fepetra ny Radio Fahazavana sy ny famerenana ny fananany norobain’ny Fitondrana Tetezamita, ho amin’ity taona 2014 ity ny FJKM. Nivoitra io tamin’ny famaranana ny fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe, izay nivory teto Antananarivo tamin’ny 23-30 Aprily.

 Tena «rariny sy hitsiny» ary mariky ny firosoana mankany amin’ny fampihavanana sy ny fanajana ny soatoavina Malagasy momba ny «Fihavanana sy ny tahotra an’Andriamanitra» ny fanatanterahana izany, hoy ny fanambaran’izy ireo. Mikasika ny fampihavanana hatrany dia manamafy ny Mpiandraikitra Foibe fa manohana ny ezaka hotanterahan’ny FFKM ny FJKM.

Mikasika ny raharaham-pirenena, indrindra ny tsy fandriampahalemana izay misy fiantraikany aty amin’ny fiainam-piangonana sy ny vahoaka, dia mampahery ny Fiangonana tsy hiraviravy tanana ny Mpiandraikitra Foibe fa hijoro hatrany ho mpampahery ny olona rehetra mba ho vavolombelona. Momba ny firenena, dia ampirisihana sy ampaherezina ny Filoham-pirenena, mba hijoro amin’ny fahamarinana ary hanatanteraka ireo teny fampanantenana rehetra nataony tamin’ny vahoaka Malagasy. Ny vahoaka koa mba hitandrina ny fahamarinana sy ny tahotra an’Andriamanitra, hiverenan’ny filaminana sy ny fihavanana eto amin’ny tanintsika. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT