Actualités

Fizarana trano vaovao eny Ankatso Manome 10 andro ny tompon’andraikitra ireo mpianatra


  • Alakamisy 19 Janoary 2023

Naneho ny fiaraha-miorin’izy ireo tamin’ireo namany may trano teny amin’ny Polytechnique Vontovorona omaly ny fikambanan’ireo mpianatra mpikaroka manerana ny nosy.

Mitaky ny fanamboarana izany dia ny eny Vontovorona sy ny “Bloc amical” izahay, hoy izy ireo nanohy ny fanambarany teny Ankatso. Mitaky ny famahana ny olan’ny rano ety amin’ny oniversiten’Ankatso koa izahay. Tsy ampy ary tsy tonga amin’ny efitranon’ny mpianatra tokony hisitraka izany intsony ny rano tokony ho azony. Noho ny fisian’ny taom-pianarana nifanontona dia betsaka ireo mpianatra vaovao, indrindra, avy any amin’ny faritany, tsy nahazo trano na “cité” nahafahany nipetraka. Takianay mpianatra anatin’ny faritra 23 eto Antananarivo ny hahazoana ny “cité” vaovao R+1 manara-penitra izay efa nampanantenain’ny minisitra ny tomponandraikitra ho an’izany trano izany ny martsa 2021 nefa mbola tsy azo mandrak’ity ny anio. Manome 10 andro izahay hamahana izay olana mikasika ny trano izay. Raha tsy misy fandraisana andraikitra moa afaka 10 andro dia ho alainay ny trano ary manentana sahady ireo izay nanao fangatahana hahazo ny trano ho avy eto afaka 10 andro raha tsy misy ny fandraisana andraikitra satria ho anareo no nanaovana izao “cité” vaovao izao. Manodidina ny 3000 isa any ny fangatahana raha jerena ny isam-paritra. Ny CROU-A sy ny oniversite moa no mandamina hoe ireto avy no tokony hahazo. Taom-pianarana 2022-2023 no mandeha izao fa araka ny fanambaran’ny SECES farany teo dia izay te hampianatra mampianatra, izay tsy mampianatra dia miandry ny mpianany, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT