Herintaona aty aorian’ny nahavitana sy nitokanana makotroka ilay biraon’ny fizahantany sy ny asa tanana ao Tanambao I Toamasina, dia tsy mbola niasa sy tsy nisokatra ny trano noho ny jiro sy ny rano tsy misy ao amin’ilay birao vaovao.
Olana ara-bola, mitentina 2.400.000 ariary, ho fampidirana rano sy jiro no tsy hiasan’ity birao ity, nefa vola an’arivorivony tapitrisa ariary sy an-tapitrisany “euros” no tanisaina sy ambara fa ampidirin’ity lafiny fizahantany sy asa tanana eto amintsika ity. Efa nisy aloha ny ezaka nataon’ilay Komity eo anivon’ny faritra Atsinanana nametraka ny fefy hazo hialana amin’ny fanaovana maloto sy fanaovana karatra ary fandrian’ireo tsy manan-kialofana ao anatiny sy ny manodidina azy. Ilay birao mbola hiasana hatramin’izao eny amoron-dranomasina Ampasimazava kosa, dia miasa tsy amina herinaratra ny mpiasa, ka raha solosaina avokoa ny fitaovam-piasana hatramin’izay, ankehitriny atao tanana no miasa, noho ny jiro tsy voaloan’ny ministeran’ny fizahantany tamin’ny Jirama efa ho 11 volana mahery izao, izay mitentina 12 tapitrisa ariary any ho any araka ny vaovao nangonina.
Sambo “Costa Europa”
Na sahirana tahaka izany ny mpiasan’ny ministeran’ny fizahantany eo anivon’ny talem-paritra Toamasina, dia mihetsika kosa ireo eo anivon’ny Ofisy sy ny mpandraharaha ary ny mpanao asa tanana, eo amin’ny fampisongadinana ny sehatra fizahantany mba tsy hita loatra ny aretiny ao Toamasina. Nandritra ny fandalovan’ny sambo “Costa Europa” tao Toamasina nandritra ny 24ora omaly izao, dia nezahana nalamina hialana amin’ilay sinto-mahery sy ny harom-paosy mahazo ireto mpizahatany vahiny ireto, ireo lalana sy tsena ary toerana nahaliana ka notsidihan’ireto mpizahatany vahiny izay Eoropeanina ny ankamaroany. Nampiasaina avokoa ny polisy nasionaly sy ny polisy monisipaly ary ny “sécurité” manokan’ny mpikarakara ny vahiny tonga avy ao Toamasina. Niisa 1.400 eo izy ireto ao anatin’ny sambo nigadona tao Toamasina ity. Araka ny fanadihadiana natao dia manodidina ny 300 euros eo raha kely indrindra ny vola lanian’ny vahiny iray mandritra ny fiantsonana 24ora ao Toamasina tahaka izao. Manodidina ny 15 hatramin’ny 25 euros eo ny saran’ny olona iray amin’ny fiara mitsangatsangana mivoaka ny tanàna. Raha kajiana izany araka ny fanazavana azo, dia tsy latsaky ny 300.000 euros no vola vahiny mihodina ao Toamasina mandritra ny fiantsonana sambo mpitondra mpizahatany tahaka ity sambo “Costa Europa” ity.
Aorian’i Toamasina dia hihazo ny nosy La Réunion ny sambo “Costa Europa”, raha avy tany Nosy Be sy Antsiranana izy talohan’izao niantsonany tao Toamasina omaly izao. Manomboka izao ihany koa, dia isaky ny 15 andro dia hisy sambo mpitondra mpizahatany tahaka izao hiantsona ao Toamasina, izay fandaharam-potoana hatramin’ny volana aprily 2011.
Rakoutou
Sary : Sambo “Costa Europa”
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.