Actualités

Fivoriana ara-potoanan’ny CUA Maro ireo zavatra voadinika ho amin’ny fampandrosoana


  • Alakamisy 09 Aogositra 2018

Nifarana omaly 8 aogositra ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Filankevitry ny tanànan’Antananarivo, izay natao nandritra ny 10 andro, notarihan’ny filohan’ny mpanolotsaina monisipaly kolonely Faustin Andriambahoaka.

Nisy ny fandalovan’ireo tompon’andraikitra mpanatanteraka isaky ny departemanta tao amin’ny CUA, izay  nilaza ny zava-bita avy nandritra ny taona 2017, teo anatrehan’ny mpanolotsaina monisipaly mba hisian’ny mangarahara. Nankatoavina tao ihany koa ny kaotim-pitantanana 2017 sy ny tetibola fanampiny amin’ny taona 2018,  izany hoe ny ambim-bola 2017 nampidirina ao amin’ny tetibola  2018,  izay natao hijerena fanatsarana hafa vaovao izay tsy tanteraka ny taona lasa. Ny fahatelo farany dia ny fanitsiana ny rafitra antanantohatry ny avy ao amin’ny departemanta misahana ny vola mba ho maromaro kokoa ny olona amin’ny fanaraha-maso ny fampidiram-bola sy ny fitsirihana, hahafahana mijery ireo kolikoly mety hitranga. Tafiditra tao anatin’ny  fivoriana ihany koa ny fanamarihana lehibe nataon’ny mpanolotsaina mikasika ny fifanarahana amin’ny Easy Park, izay efa nisy teo alohan’ny nahatongavan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana teo amin’ny toerana ny fifanarahana tamin’izany.  Tapaka fa tokony hojerena akaiky ny fiaraha-miasa eo amin’ny Easy PARK izay maro ny olona manakiana ary tsy ekena intsony koa ny fanitarana asan’ny Easy PARK na “extension”. Ny volana septambra indray vao afaka manao fivoriana manaraka ny mpanolotsain’ny tanàna.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT