Tonga nametraka fitoriana teny amin’ny HCC na Fitsarana avo momba ny lalampanorenana ireo fivondronan’ny mpiasa eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra omaly.
Nilaza izy ireo fa tsy manaiky ny hizarazarana ny mpiasa eo anivon’ny tanànan’Antananarivo. Nilaza ihany koa izy ireo fa tsy manaiky ny hizarazarana ny tanàna ho enina araka ny lany teny anivon’ny Antenimieram-pirenena. Nilaza ireo mpiasa fa raha misy ny tsy fahafaham-po azon’izy ireo manoloana ny fangatahana napetraka dia hiroso amin’ny dingana hafa. Milaza ny ho miombon-kevitra amin’izy ireo moa ny mpiasa maro an’isa eo anivon’ny kaominina.
Tojo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.