Actualités

Fivarotantenan’ny ankizivavy ao Sainte Marie Any anaty lanonana no mifampaka ny lahy sy ny vavy


  • Alatsinainy 16 Jolay 2018

Hafakely ny fomba fivarotantenan’ireo tovovavy ao amin’ny nosy Sainte Marie amin’izao.

Tsy mba mijorojoro eny rehetra eny toy ireo vehivavy mpivarotena eto an-drenivohitra  izy ireny fa any amin’ireo lanonana maro samihafa no miandry ireo mpanjifany ary efa diso mahay izany ireo mpaka azy any an-toerana. Any anaty lanonana any izy ireo no miaraka ka miafara any fiarahana matory. 12 taona no kely indrindra amin’izy ireo. Tsy ireo teratany  vahiny ihany no maka sy manjifa fa misy amin’ireo olona manana ny maha izy azy   any an-toerana koa mandray. Ho an’ireo teratany vahiny mananika ny faha-60 taonany ka misy amin’izy ireo no efa mitondra ireo tovovavy kely alainy avy any Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana ary ao Sainte Marie izy no mijanona. Nandritra ny festival des baleines farany teo, raha araka ny fanadihadiana natao hatrany dia betsaka izy ireny saingy tsy miseho mivantana fa any ambadika any no mifanaraka. 1 % monja kosa ireo mitady mpanjifa eny amin’ny bord raha betsaka hoy hatrany ny vaovao azo. Tsiahivina moa fa somary nihena ireo olona tonga nanatrika ny festival des baleines notanterahina tany an-toerana nanomboka ny Alakamisy 12 Jolay lasa teo raha oharina tamin’ny taon-dasa. Noho ny fahasahiranan’ny olona sy ny olana ara-pôlitika misy eto amintsika no anisan’ny antony nahatonga izany. Nifarana tamim-pomba  omaly Alahady  tany an-toerana moa ity hetsika ity ka anisan’ny olana tsy maintsy hovahana manomboka anio Alatsinainy ny asa fanalana ireo fako nivangongo tao an-tanana noho ny hamaroan’ny vahiny.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT