Lehilahy niisa 4 no nosamborina tao Ankazomiriotra any Andrefan’i Betafo ny 19 jolay 2018 teo noho ny resaka fivarotana olona.
Tovovavy kely vao 15 taona ity nokasaina hamidy ity, saingy noho ny vela-pandriky ny zandary dia sarona aloha ireo 3 lahy voalohany nitondra ilay zazavavy ary nosamborina ny namany iray nony avy eo. Nisy fotoana nialoha io, nitady mpividy olona izy ireo, ka mpampianatra haiady tany Ankazomiriotra no natoniny. Nambara fa “misy sera” ka hitadiavana mpividy ary rehefa nazoto ilay mpampianatra haiady vao nilazana fa olona io hamidy sy hitadiavana mpividy io. Nilaza hanontany ny “debany” aloha ilay tovolahy, saingy ny zandary avy hatrany no noresahiny mangingina, ka nanomboka teo ny vela-pandrika, ka ireo zandary no niafina tao ambadik’ilay hoe:“Deba”. Nifanarahana fa atao manamorona ny lalam-pirenena faha-34 ny fifampivarotana, teo amin’ny sampanan-dalana hihazo ny kaominina Fidirana, atsinanan’Ankazomiriotra, ka nahasamborana azy ireo ny 19 jolay. Efa nentin’izy ireo niaraka tamin’izy ireo moa ilay zazavavy kely, izay nilazana fa hoentina hitsangantsagana any Manandona, ary voalaza fa efa sakaizan’ny iray tamin’ireo lehilahy nikasa hivarotra azy. Nambaran’ny kapiteny Rakotoarimanana Jaona Marc, kaomandàn’ny kompanian’i Mandoto fa efa fivarotana olona fanindroany ity nokasain’ireo jiolahy ireo natao ity, saingy tany anatin’ny fanadihadiana no nilazany izany. Hatreto dia tsy misy resaka fakàna taova. Ny sabotsy 21 jolay lasa teo izy ireo no natolotra ny fampanoavana.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.