«Ity vao raharaha» araka ny tenin’ny tanora izay. Tsy fantatra intsony mamtsy ankehitriny izay lehibe sy to teny amin’ireto mpitandro ny filaminana Malagasy, OPJ no lazaina eto, fa ny baiko midina avy eny amin’ny fampanoavana izay lehibeny araka ny lalŕna aza tsy misy manatanteraka.
Raha ny tsiambaratelo voaray avy eny anivon’ny fitsarana, nambarana mpiasana fitsarana izay nilaza tsy hitononana ny anarany, dia efa ny 01 desambra 2010 teo no namoaka taratasy (Réquisition) laharana 359-PR Toamasina, manainga zandary avy eo anivon’ny Borigadin’ny zandarimariam-pirenena misahana ny faritra Atsinanana, ny lehiben’ny fampanoavan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina. Milaza mazava io taratasy io fa «fanatanterahana didim-pitsarana» no atao, izay mbola araka ny baiko nomen’ny Talen’ny kabinetran’ny ministeran’ny fitsarana, Rtoa Rahelivololona Victorine Juliette, ny 29 novambra 2010. Hatramin’ny omaly 21 desambra 2010 nanoratana anefa, na zandary iray aza tsy nahetsika nefa niantefan’ilay taratasy. Mazava ny fehezan-dalàna Malagasy mikasika ireo OPJ sy ny lehibe afaka mibaiko azy ireo dia ny lehiben’ny fampanoavana izay miandraikitra ny raharaha ady heloka sy solontenam-panjakana araka ny lalàna (ministère public).
Izay no mahatonga ny didim-pitsarana ahitana soratra mandrakariva eny ambany noho izy hotanterahina manao hoe «…amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy, ny Repoblikan’i Madagasikara dia manainga sy manome baiko ny vaditany rehetra mba hanatanteraka ny voalazana didim-pitsarana ; ireo fampanoavana ambony sy fampanoavana rehetra hifanampy amin’izany ; ireo komandina vondron-tafika sy manamboninahitra misahana ny filaminam-bahoaka hifanome tanana maro koa rava mahazo ny taratasy manainga azy ireo hanatanteraka izany…». Mifanohitra amin’izany anefa ny zava-misy. Ny tena mahagaga, dia vao nahazo ilay taratasy laharana 87-10/HAT/CSDM/PDT nosoniavin’i Alain Ramasoson ny 05 oktobra 2010 izy ireo, dia tsy niandry ela akory dia nanaraka, nefa ilay taratasy dia milaza mazava fa «tsy tokony handray baiko avy aiza sy aiza mikasika fanatanterahana didim-pitsarana ny mpitandro ny filaminana rehetra ao Toamasina», izay tsy andraikitry ny HAT teo aloha lasa CST ankehitriny ny fanomezana baiko mpitandro ny filaminana amin’ny asa tokony sahaniny, ary fandikan-dalana goavana ny fampirisihana ny OPJ tsy hankato baiko omena azy, izay hiteraka tsy ho ela tsy refesi-mandidy sy ny tany tena tsy ho tan-dalàna.
Azo heverina izany, hoy ity olona nanome ny tsiambaratelo ity, fa io taratasy tamin’ny 05 oktobra io no atahoran’ireo OPJ ireo tsy adraisany baiko, na fantatr’izy ireo mazava tsara fa ny lehiben’ny fampanoavana no lehiben’ny OPJ Malagasy. Midika koa izany fa ny ministeran’ny Fitsarana mihitsy no very hasiny sy hajany. Vokany, miantona avokoa ny fanatanterahana didim-pitsarana mila tanamaro avy amina OPJ ao Toamasina, ny ankamaroany resaka tany sy trosa ary resa-bola. Miandry ny rariny efa azony ireo mpandresy, mibitaka lasa nanana mpiaro tsy satry ireo resy…izay ilay tetezamita, izay ilay fanovana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.