Manana olana ara-drafitra ny tontolon’ny Fitsarana eto Madagasikara.
Misy ihany koa ny sakana amin’ny fampiharana azy araka ny fanadihadiana nangatahan’ny minisiteran’ny Fitsarana izay notohanan’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana na PNUD. Anisan’izany ny tsy fahampiana ara-olona sy ara-bola, ny tsy fananana politikam-pirenena fisorohana ny herisetra sy famonoan’olona, ny fisian’ireo karazana Dina tsy mifanaraka amin’ny lalàna velona. Azo raisina ohatra ihany koa ny tsy fahampian’ny fikaonan-doha eo amin’ireo tompon’andraikitra ambony misahana ny famotorana sy ny fanadihadiana. An-dalana ankehitriny ny fandinihana io fanadihadiana io miaraka amin’ireo soso-kevitra fanatsarana ny sehatry ny fitsarana Malagasy taorian’ny atrikasa notanterahana tamin’ity volana mey 2014 ity. Eritreritra rahateo ny handrafitra politika fanasaziana nasionaly sy ifotony mifanaraka amin’ny zava-misy ka hampandraisana anjara ireo manampahefana ara-pomba amam-panao. Tafiditra ao anatin’ny dingana famolavolana iandraiketan’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana misahana ny fampandrosoana taona 2015-2019 ity famerenana ny fahatokisan’ny mponina miaraka amin’ny fanajana ireo zon’olombelona ny fitsarana eto Madagasikara ity. Tokony hipaka any amin’ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna sy ny politikam-pirenena fitantanana mahomby io fanatsarana io, hoy ny solontenan’ny PNUD.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.