Velon-taraina amin’ny afitsoky ny rafitra manokana mpitsara ireo fiara «citerne» mpitondra solika (APAVE) ireo mpitatitra.
Eo amin’ny resaka «soudure aluminium» tsy maintsy atao amin’ny fiara sasantsasany no tena hitoeran’ny olana satria tsy eken’ity APAVE ity ny fanamboarana atao eny an-tsisiny fa mitaky faktiora avy amin’ny orianasa lehibe mpanao io asa io, ankoatra ireo fiara nivoaka avy amin’ny «concessionnaire». Mahatsiaro ho matiantoka izahay, hoy ireto mpitatitra nitaraina ireto satria fiara efa tokony hitatitra entana nefa tsy ekena noho io resaka «soudure» io. Marina, hoy izy ireo, fa izahay mpitatitra ihany no nanaiky ny hiasan’ny APAVE saingy ny fomba fiasany kosa dia tsapa fa mafy loatra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.