Actualités

Fitsarana Anosy Hitokona ny mpiraki-draharaha


  • Alakamisy 09 Desambra 2010


Nahena ny «prime» an’ny mpiraki-draharaha amin’ity faran’ny taona ity. Tezitra noho izany izy ireo ka nifamory teny amin’ny lapan’ny Fitsarana Anosy omaly. Araka ny fantatra mantsy dia noho ny fitakian’ny Sendikan’ny mpitsara dia handoavana ny volan’ireto farany ny vola tokony handoavana io «prime»-n’ny mpiraki-draharaha io. Fandray isan-taona ity vola ity kanefa raha efa voasoratra fa iray tapitrisa ariary izany amin’ity dia nahena ho telo hetsy ariary indray. Tsy manaiky ny mpiraki-draharaha ka hisy ny fihaonan’izy ireo amin’ny ministry ny Fitsarana anio. Raha tsy misy fanapahan-kevitra dia efa nilaza ireo mpiraki-draharaha omaly fa hiafara amin’ny fitokonana ihany koa ity fitakian’izy ireo ity. Raha ny tomban’ny maro tamin’izy ireo kosa omaly nandritra ity fivoriana ity dia ho sarotra ho an’ny ministra ny hanatanteraka ny hetahetan’izy ireo. Raha hisy koa ny fitokonana dia azo antoka fa hitatra hatramin’ny taona 2011 izany. Ny 15 desambra izao mantsy no hisy ny fialan-tsasatry ny Fitsarana. 

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT