Actualités

Fitsarana ambaratonga voalohany Antsirabe Ny Haingo Nasoloharivelo no filoha vaovao


  • Alarobia 08 Aogositra 2018

Napetraka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alalan’ny fitsarana manetriketrika ny filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany na ny TPI ao Antsirabe Rtoa Ramasitera Ny Haingo Nasoloharivelo.

 

Nitarika ny lanonam-pitsarana ny filohan’ny fitsarana ambony avy any Antananarivo, natrehin’ny « Procureur général de la cour d’appel » sy ireo fianakaviamben’ny Fitsarana izay notarihin’ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisitry ny Fitsarana sy ny mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, niaraka tamin’ireo manam-pahefana ao an-toerana notarihin’ny prefen’Antsirabe , ny lehiben’ny Faritra sy ireo olom-panjakana maro isan-tokony. Fitsarana marina: « Mahalaeo tena, tsy mitanila, manakaiky ny vahoaka, manara-maso ny fampiharana ny didim-pitsarana » ireo no andry ijoroan’ny fitantanana ny Fitsarana Ambaratonga voalohany eto Antsirabe manomboka izao, raha ny nambara. Nialohan’ny nanendrena ity mpitsara ity ao Antsirabe dia « Président du chambre” tao amin’ny fitsarana ambony ny tenany, ary izao nasolo ny mpitsara Rasoloharison Aimé izay voatendry ho filohan’ny PAC na ny « Pôle Anti- Corruption” izao. Nohamafisina teto fa ny taona 2018 dia taonan’ny fitsarana, tamin’ity taona ity mantsy no nametrahana ny « Haute cour de la justice », ny PAC na ny « Pole anti-Corruption » ary ny « cour spéciale bois de rose ». Na izany aza, dia tsiahivina ihany, fa ahiana indray ny kolikoly avo lenta samihafa momba ny fifaninanana hiditra ho mpianatra mpitsara ao amin’ny ENMG na dia efa nofoanana aza ny fifaninanana tamin’ny voalohany, ka nahantona aloha ny valim-panadinana.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT