Actualités

Fitsarana ady heloka Toamasina Hanomboka ny 02 jona raha tonga ny vola


  • Alarobia 07 Mey 2014

Efa voaoman’ny fitsarana ambony ao Toamasina ny antontan-taratasy rehetra entina miatrika ny andiany voalohany ny fitsarana ady heloka bevava tsotra (CCO) amin’ity taona 2014 ity.

 Raha ny fandaharam-potoana dia tokony ho natomboka ny volana martsa ny fitsarana CCO mba hanilihana ireo antontan-taratasy maro be, sy tsy hampijaly ireo manan-draharaha miandry didim-pitsarana amin’ny fiarovana ny zon’ny voafonja vonjy maika sy ireo mpanan-draharaha. Nanomana ny 02 jona indray ny fitsarana ambony entina hitsarana ireo antontan-taratasy maro be ao aminy. Miankina amin’ny vola alefan’ny minisiteran’ny fitsarana anefa ny hahavita izany indray.

Anisan’ny raharaha tena andrasan’ny maro amin’ity ny fitsarana famonoana ny dokotera Laivao Michel Victori izay nihemotra ny fitsarana noho ny fangatahan’ny vadiny hanitarana ny fanadihadiana ny raharaha. Raha ny fandaharam-potoana dia ny faran’ny volana jona amin’ny andiany faharoa vao hotsaraina ny raharaha. Amin’izao fanomanana ny fitsarana CCO ao Toamasina izao, dia mbola mibaby trosa amin’ireo mpitsara mpanampy sy ireo vadintany mpanao fiantsoana ary ireo mpitsara mitazona ny raharaha ny fitsarana, vokatry ny tetibola tsy ampy tamin’ny taona lasa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT