Matin’ny fokonolona teo anoloan’ny biraon’ny polisy tao Mananara avaratra ireto jiolahy miisa 6 mitam-basy any an-toerana. Mpandraharaha jirofo tao Mananara avaratra no notafihan’izy ireo tamin’ny herinandro lasa teo
, izay notifirin’izy ireo ka tena voa mafy izay voatery nalefa fiaramanidina manokana nihazo teto Antananarivo nitsabo tena, izay efa manomboka mihatsara amin’izao fotoana izao araka ny angom-baovao natao tamin’ny fianakaviany. Nandritra ny herinandro anefa dia nikaroka ireto andian-jiolahy ireto ny polisy tany an-toerana, ka ny alahady 01 martsa teo dia sarona ny telo tamin’izy ireo. Teo am-pitondrana azy ireo hanaovana fanadihadiana tao amin’ny biraony ny polisy no tsy nanaiky ny fokonolona. Vokatry ny fahamaroan’izy ireo sy mba tsy hiverenan’ilay fandorana ny biraon’ny polisy izay efa nitranga 2 taona lasa tamin’ny hetsi-bahoaka tahaka izao, dia nijery fotsiny ny fitsaram-bahoaka nataon’ireto fokonolona ny polisy, ary dia nodoran’ny fokonolona velona ireo jiolahy 3 lahy. Ireo 3 lahy ambiny kosa teo am-pandosirana hihazo an’i Soanierana Ivongo, dia voasambotry ny fokonolona tao Antanambe ary naverina tao Mananara avaratra ihany koa. Vao tonga anefa dia efa notsenain’ireo fokonolona ary niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany ihany koa tahaka ny nanjo ireo 3 tratra voalohany ka may sady maty. Nitazam-potsiny moa fa tsy sahy nihetsika nanakana ny fitsaram-bahoaka ireo mpitandro filaminana any an-toerana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.