Taorian’ny trangam-piarahamonina mahatsiravina nahitana
zazalahy kely 7 taona natao sorona, nivoatra ny toe-draharaha ao Andilamena Faritra Alaotra Mangoro. Raha tsiahivina, ny 7 Septambra 2025, dia hita faty ilay zaza, nisy nanapa-doha sy nanala ny taovam-pananahany, tao amin’ny faritra ambanivohitra Mahatazana. Araka ny fanadihadiana nataon’ny zandary, fanao amin’ny fanasinana ody sy fanompoana amin’ny vatosoa no anton’ilay sorona, natao teny amin’ny tendrombohitr’Ambohibe, fokontany Ambatolampy, kaominina Bemaitso. Nandeha ny fikarohana, ka tokantrano iray tao Mahatazana no nahitana hazo nihoson-drà, vavahady misy lio efa maina, ary sisindalana feno porofo manamafy ny fisian’ny sorona. Voasambotra avy hatrany i Pasy Kely, lehilahy voalaza fa tompon’antoka mivantana tamin’ny famonoana. Tsy afaka nandà izy, satria nihaiky avy hatrany fa izy no namono sy nanapa-tenda ilay zaza, ary nanambara fa natao “fanatitra hampanjary amin’ny fitrandrahana vatosoa” izany. Nentina i Pasy, nanoro ny zandary ny toerana nanaovana ny sorona: vato mbola misy lio, fanatitra, ary sorona navelan’ny fanompoana. Nikasa hitsoaka i Pasy nandritra ny fifanjevoana, ka voatifitry ny zandary ary maty tsy tra-drano. Tsy vitan’izay, nodoran’ny fokonolona omaly ihany ny fatiny, ho fanehoana fahatezerana sy fandavana tanteraka ny habibiana nataony. Hatramin’izao, mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo namany roa hafa, izay voalaza fa nandray anjara tamin’ny sorona saingy tsy mbola nambara mazava ny mombamomba azy ireo. Ity raharaha ity dia manaitra ny saina, mampibaribary fa mbola misy fanao mahatsiravina sy habibiana amin’ny alalan’ny fandatsahana ain’olombelona noho ny fitrandrahana harena eto Madagasikara, ka isan’ny matetika lasibatra ny ankizy tsy manan-tsiny, ireo manana toe-tena varira,... Tsy tranga tokana ity fa efa fahita sy fandre izay mbola manokatra adihevitra hoe : tena mahomby sa finoanoam-poana? Tsy kely lalana ny ratsy, mila fanadihadiana lalina, mila fitandremana lalina ho an’ny fiarahamonina. Raha tsy misy fandraisana andraikitra hentitra, dia mbola hisy zaza hanjavona, mbola hisy fanaovana sorona amin’ny fitrandrahana vatosoa, ary mbola hisy habibiana tsy hay lazaina,... Mila fandraisana andraikitra, mila lalàna mivaingana, ary mila fepetra ara-piarahamonina, indrindra amin’ny faritra misy harena ankibon’ny tany.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.