Actualités

Fitrandrahana solika ao Tsimiroro Hotatazan’ny Frantsay koa ?


  • Alarobia 26 Janoary 2011

Hamoaka tolo-bidy vaovao momba ny fitrandrahana solika ao Tsimiroro ny fitondrana tetezamita, araka ny nambaran’ny ministry ny solika Mamy Ratovomalala ny faran’ny herinandro teo.

Voalaza mantsy fa tsy mazava ary manjavozavo be ny zava-misy any an-toerana amin’izao fotoana, izany hoe tsy mazava ny nahazoan’ny Madagascar Oil ny tsena amin’ny fitrandrahana ny «huile lourde» menaka mavesatra ao Tsimiroro, koa dia hatsahatra ny fiaraha-miasan’ny fanjakana Malagasy aminy ary hitady orinasa hafa hanohy ny fitrandrahana. Tsara homarihana fa ny orinasa Frantsay Total no mitrandraka ny solika ao Bemolanga, izay mifanakaiky amin’i Tsimiroro ihany, koa manahy ny rehetra amin’ity raharaha ity fa sao dia paik’ady hanomezana ity orinasa Frantsay ity izao famoahana tolo-bidy vaovao hataon’ny fitondrana tetezamita izao.

Hatramin’izao mantsy dia nahoraka be teto fa toa hoe misy ifandraisana amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny orinasa Madagascar Oil, saingy tsy misy mahalala ny tena zava-misy marina aloha hatramin’izao fa nijanona ho siosion-dresaka izany. Fa ny tsiliantsofina re fotsiny hatramin’ny nitondran’ny FAT dia ny hoe : tsy maintsy ailika tsimoramora ireo orinasa na mpandraharaha nifanaraka, na nahazo tombontsoa tamin’ny fitondrana Ravalomanana, ka soloina ireo orinasa sy mpandraharaha akaikin’ny FAT sy i Andry Rajoelina. Dia ho hita eo moa izay mety ho valin’io tolo-bidy vaovao momba ny fitrandrahana solika ao Tsimiroro io, fa efa maro sahady no sahy mifanamby fa ho lasan’ny mpandraharaha Frantsay izy io !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT