Lasan’ny Energizer Resources Inc manontolo
Rehefa karazana akora ankibon’ny tany dia ifampitadiavana avokoa amin’izao. Manana azy ireny maro isika ka tsy mahagaga raha misesika eto Madagasikara ireo orinasa vahiny isan-karazany. Akora be mpitady ny «graphite cristallin» izay ilaina amin’ny fanamboarana fiara sy karazana fitaovana mandeha amin’ny herinaratra. Ry zareo Sinoa no mpamokatra azy be indrindra ary tena manao izay tiany atao izy noho izany amin’ny famaritana ny vidiny.
Tsy afa-miala anefa ireo orinasa satria tena ilaina ny “graphite cristallin”. Manana azy io isika ka anisan’izany ny ao Fotadrevo, any atsimon’ny Nosy. Azon’ny kaompania kanadianina Energizer Resources Inc iray manontolo ny toeram-pitrandrahana ao an-toerana antsoina hoe Molo amin’izao fotoana. Novidiany ny petrabola 25% an’ny orinasa Malagasy “Malagasy Minerals Ltd». Omaly no nanao fanambarana ofisialy ny Energizer Resources.
Marihina fa anisan’ireo avo kalitao indrindra noho ny hadiony ny «graphite cristallin» amin’ity tetikasa ity, hoy i Craig Scherba, filohan’ny Energizer Resources. Mahatratra 83,99 tapitrisa taonina ny tahiry ao aminy raha mihevitra ny hahavita mitrandraka 84 .000 taonina isan-taona ny orinasa. Any amin’ny tapany faharoan’ny 2016 kosa no mikasa hanao ny fitrandrahana ry zareo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.