Be dia be ireo porofo hoentinay eny anivon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana amin’ny alakamisy izao hahafahanay mitory ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Nirina Rajoelina, hoy ry zareo mpitarika ilay Hetsi-bahoaka ho an’ny Fanovana sy ny fanorenana Ifotony, tontosaina etsy Analakely.
Manasa ny Malagasy rehetra ho avy eto amin’ny Parvis amin’io fotoana io fa hametraka fitoriana isika. Nisy ireo taratasy efa napetrakay mikasika ny antony tsy mahamety ny hanaovana fifidianana amin’ny 7 novambra hiandrasana valiny any amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC sy ny fianakaviambe iraisampirenena. Sambany, hoy izy ireo no nisy famoriana mpanao gazety notontosaina teto amin’ny Parvis toy izao. Nanambara ihany koa ry zareo omaly fa tsy azo itokisana intsony ny governemanta Ntsay. Mialoha ny fifidianana dia tsy hita ihany izay filaminana politika sy sosialy. Hanomana fifidianana kanefa ny resaka kara-panondro aza tsy misy fahafaha-manonta na « Imprimé » foana. Mbola misy lisitr’olona 4.000 isa banga, hono, ny lisi-pifidianana amin’ireo birao maromaro. Raha atotaly dia niisa 250.000 izany tany am-boalohany. Tsy misy vahaolana afa-tsy ny latabatra boribory, hoy ireto mpitarika ny hetsika etsy Analakely ireto.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.